HEBREO 2:10-18
Nitondra zanaka maro ho amin’ny voninahitra. Tsy vitan’ny nidina ho tonga olombelona i Jesosy Kristy fa nitondra ireo izay mino Azy ho lasa zanak’Andriamanitra ihany koa Izy. Nanamasina azy ireo tamin’ny rany Izy ary nanome azy ireo fahafahana hahazo voninahitra tahaka Azy. Hany ka fifaliana ho an’i Kristy ny miantso izay mino Azy hoe « rahalahy » ary manolotra azy ireo ho an’Andriamanitra.Nandresy ny devoly Izy. Noho ny fahotana dia tsy maintsy hiharan’ny fahafatesana isika. Io no tena mampatahotra ny maro indrindra ary entin’ny devoly hampitahorana antsika.
Mba hahafahana mamonjy antsika dia tsy maintsy midina hitovy amintsika i Kristy (14). Tsy tonga anjely Izy fa tonga olombelona, satria hamonjy ny olona. Rehefa olombelona ihany koa izy dia mety maty, nisolo antsika eo amin’ny hazofijaliana mba tsy hiharan’ny fahafatesana mandrakizay intsony isika satria efa nentiny izany.Mpisoronabe. Rehefa tonga olombelona i Jesosy Kristy dia afaka mahazo tsara izay manjo antsika: fakam-panahy, fahoriana, hanoanana sy hetaheta ary aretina sy havizanana ary fahafatesana. Izany no mahatonga Azy onena mahita antsika ka afaka mamindra fo sy azo atokisana fa mahavonjy antsika tokoa. Ny asan’ny mpisoronabe dia ny manao sorona hahazoan’ny olona fanavotana, fa i Kristy kosa dia sady Mpisoronabe no fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy.
Saintsaino:. Isan’ny tena mino an’i Kristy, ilay Andriamanitra lehibe kanefa nidina ho olombelona mba ho faty hamonjy ahy teo amin’ny hazofijaliana ve aho ? Fantatro ve ireo zavatra nataon’i Kristy ho ahy ?