HEBREO 3:7-19
Manamafy fo (7-12). Tena tsy zakan’Andriamanitra ny olona izay mandre ny teniny ihany kanefa manamafy fo satria maka fanahy Azy (9), maniasia mandrakariva (10), manana fo ratsy tsy mino ka miala amin’Andriamanitra velona (12). Efa niainan’ny zanak’Isiraely anefa izany tany an-tany efitra. Efa nampitandreman’ny mpanao Salamo ihany koa (Salamo 95). Averin’ny mpanoratra ny Hebreo eto. Kanefa dia mbola betsaka amintsika no manao izany ankehitriny.Ny vokany (16-19). Ny fahatezeran’Andriamanitra izay averimberiny eto (8, 10, 16, 17). Arak’izany dia tsy hahita fitsaharana mihitsy izay manao izany (11, 17, 18). Na dia tafiditra tany an’efitra ihany aza ny sasany tamin’izy ireo dia mbola « niasa fatratra sy mavesatr’entana » ihany satria tsy nino fa niezaka hanatanteraka lalàna fotsiny.
Mariho tsara ny voalazany eo amin’ny andininy faha-19 fa noh ny tsy finoany no tsy nahazoany niditra (12).Ny tokony hatao (13-15). Mifananatra mandrakariva isaky ny tafahaona (13). Izany no ilana fifampizaràna tenin’Andriamanitra rehefa tafaraka ny mpino satria mora mamitaka antsika ny ota. Mety efa ao anaty fahotana ianao fa tsy azonao an-tsaina akory. Aoka isika tsy hiteny hoe « efa haiko izany » fa ilaina foana ny fifampatsiahivana mba tsy hahatonga antsika ho mafy fo. Teny manambara an’i Kristy (14) ihany koa no mila ifampizarana fa tsy moraly fotsiny akory.
Saintsaino : Tsy ny fiandohan’ny fanarahantsika na ny fandraisantsika ny Tompo no zava-dehibe fa ny finoantsika Azy mandrakariva (14) avy amin’ny fisaintsainana ny teniny.