Hebreo 2:1-9
Tandremana mafimafy kokoa (1-4). Misy endrika efatra ny mahalehibe ny hafatry ny Filazantsara izay noraisintsika ka nahazoantsika famonjena:- Nampilazaina ny Tompo (3). Avy amin’ny Zanany mihitsy no nahatongavan’io hafatra io taty amintsika.- Namafisin’izay nandre tamin’ny voalohany izany (3b). Ny Apostoly no nanamafy ny fahamarinan’io hafatra io.- Andriamanitra koa niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe (4) tahaka ny nitranga tamin’ny fanomezany ny fanekena voalohany tamin’ny fivoahana tany Egypta ihany.- Ny Fanahy Masina ihany koa dia nanamafy izany tamin’ny fizarany tamin’ny mpino ireo fanomezam-pahasoavana isan-karazany (Efesiana 4.11).
Voalaza eto avokoa ny Ray, Zanaka ary ny Fanahy Masina, izay samy nandray anjara lehibe tamin’ny fanomezana ny hafatry ny Filazantsara. Izay no maha-zava-dehibe azy mihoatra ny lalàna tany amin’ny Testamenta Taloha izay nisy mpanelanelana dia i Mosesy sy ny anjely (Asan’ny Apostoly 7.53 ; Galatiana 3.19).Fantarina bebe kokoa (5-9). Raha nanindrahindra anjely ny Jiosy hatramin’izay dia mametraka ny zavatra rehetra amin’ny toerany kosa ny mpanoratra eto. Jesosy dia Andriamanitra kanefa dia nietry ho tonga olombelona (ambany kely noho ny anjely) mba ho faty eo amin’ny hazofijaliana hamonjy antsika. Izay fietren’i Jesosy Kristy izay no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra ka nahatonga ny zavatra rehetra ho eo ambany tongony, eny fa na dia ny anjely aza.
Vavaka: Tompo ô ! Ampianaro izahay hahay hanetry tena toa an’i Jesosy Kristy ka hifikitra hatrany amin’ny Teninao. Dia hahita an’i Jesosy ao anatin’izany hahazoanay ilay famonjena lehibe !