JESOSY KRISTY, TSARA LAVITRA NOHO NY ANJELY

Hebreo 1:1-14

Teny (1-4). Jesosy Kristy no ambaran’ny mpaminany (1) ary amin’ny alalan’io Zanany io ihany no itenenan’Andriamanitra amintsika satria Izy no anton’ny zavatra rehetra (2). Izy no maneho an’Andriamanitra ary mampaharitra ny zavatra rehetra, ao amin’i Jesosy Kristy ihany koa no hahazoana famelan-keloka (3).Fampieritreretana. Mahita an’i Jesoa Kristy ve aho isaky ny mamaky Baiboly ?Zanaka (5-7). Tsy niantso anjely hoe zanany mihitsy Andriamanitra. Maneho ny halehiben’i Kristy mihoatra ny anjely izay tian’ny Jiosy sy andrandrainy foana no antony ilazan’ny mpanoratra ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy eto (4).Mpanjaka mandrakizay (8-14). Ny Testamenta Taloha dia efa nilaza fa maharitra mandrakizay ny seza fiandrianan’i Jesosy Kristy sy ny tehina mahampanjaka Azy (8), voahosotra toy ny Mpanjaka rehetra Izy (9), handresy ny fahavalo rehetra (13) ary tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay mihitsy izany (10-12). Amin’ny maha Mpanjaka Azy dia Izy izany no mifehy ny zavatra rehetra, izay mandalo ihany.

Saintsaino : Matoky ny fifehezan’i Kristy ny zavatra rehetra ve aho ? Raha matoky Azy aho dia izany no mitarika ahy koa hankatoa io Mpanjaka lehibe io !Anjely. Fantatrao ve fa ny anjely kay dia mba mpanompon’Andriamanitra ihany koa ? Ary tsy vitan’izay fa natao hanompo antsika mpino izay handova famonjena ny anjely ! Koa tsy natao hivavahana ny anjely (Apokalypsy 19.10 ; 22.9).

Laisser un commentaire