ANDRIAMANITRA MIHAINO VAVAKA

Salamo 138:1-8

Andriamanitra velona. Azo iresahana, hitarainana satria Andriamanitra velona ny Andriamanitra ambaran’ny Mpanao Salamo eto. Raha tao anatin’ny fahaterena izy dia niantso an’Andriamanitra ka dia namonjy sy nampahery azy Izy. Izany no miteraka fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana Azy eo am-bavan’ny Mpanao Salamo ary tahaka izany koa ny olona rehetra izay nahazo famindrampo: valim-bavaka tamin’Andriamanitra velona, Andriamanitry ny andriamanitra rehetra izany.
Andriamanitra lehibe. Lehibe amin’ny voninahitra Andriamanitra (5), ambony indrindra amin’ny fitoerany Izy (6), mahalala ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona (6b), mikarakara sy miaro ny olony amin’ny zava-manjo azy (7) ary indrindra mihevitra ny momba azy manontolo (8). Izany rehetra izany dia mbola miteraka fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra ho an’ny olona izay nahatsapa tahaka izany teo amin’ny fiainany.
Andriamanitra mamindra fo. Indray mipi-maso monja ny fahatezeran’Andriamanitra fa mandrakizay kosa ny famindrampony (8b) –“Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao” (Isaia 54.8). Iza no Andriamanitra tahaka izany? Jehovah irery ihany. Fisaorana sy fankalazana no mendrika hatao amin’Andriamanitra amin’izany fahatsarany izany.
Fahamarinana: Tsara Andriamanitra sady mpanao ny tsara (Salamo 119.68). Izay rehetra efa nanandrana niaraka taminy dia mahatsapa izany fahatsarany izany avokoa (Salamo 34.8). Efa nataonao ve izany? Andramo fa ho hitanao.

Laisser un commentaire