ANARANA MAHERY

Deoteronomia 28:45-68

Jehovah Andriamanitra. Io no anarana tokana nambara tamin’Isiraely fa hany anarana mendrika hankalazaina sy homem-boninahitra ary hatahorana satria Izy no tompon’ny fahefana rehetra sy manana ny hery hitondrana izao rehetra izao izay nohariany. Manome ny olona fitahiana ho an’izay mankato ny didiny fa mampihatra loza famaizana kosa ho an’izay tsy mihaino ny feony.
Fihainoana ny feon’Andriamanitra: Miverimberina izany ato amin’ity boky ity satria ny fanatanterahana izany no sitrak’Andriamanitra indrindra hataon’ny olona rehetra. Izany koa no hitondra fitahiana ho an’izay manaraka ny didiny fa hahatongavan’ny loza ho an’izay minia tsy mihaino.
Fandringanana (45). Mety ho tonga amin’izany mihitsy ny sazy homen’Andriamanitra ny olona tsy mankato ny didiny. Maneho izany fa tena tsy zakan’Andriamanitra ny fisian’ny faharatsiana eo amin’ny fiainan’ny olona. Mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny fahotana ka mahatonga Azy tsy mihaino na dia manatona Azy aza isika. “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” (Isaia 59.2)
Fahamarinana : Efa nomen’Andriamanitra antsika koa ankehitriny ny anarana tokana hahazoantsika famonjena dia ny anaran’ny Zanany malalany: “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asa 4.12). Ary koa: “Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” (Romana 10.13). Antsoy ny anaran’i Jesosy dia ho voavonjy ianao.

Laisser un commentaire