KRISTIANA MANANA SOATOAVINA


DEOTERONOMIA 25. 5-19

Fianakaviana : Mamelona taranaka. Tompon’anaran-dray ny lehilahy eo anivon’ny tokantranony na ny fianakaviany, ary natao hamelona izany izy. Baikon’Andriamanitra hatrany am-piandohana ny famenoana ny tany, ary adidy manandrify antsika izany na mandraka ankehitriny aza. Eo anatrehan’izany indrindra no hanamelohan’ny Tenin’Andriamanitra ny fanimbana, fanakanana ny tsy hitomboan’ny taranaka.  Tsarovy fa tsy miova ny baiko na eo aza ny fahasahiranana maro, Mamenoa ny tany. “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” (Marka 9.23).Fiarahamonina : Mihary ao anaty fahamarinana. Kristiana miaina sy mampanjaka fahamarinana, izany no baiko azo tsoahina eto. Fanamby iray goavana eto amintsika izany, satria eo anatrehan’ny fahantrana samihafa dia lasa tanjona ny hahazo vola betsaka, haingana… eny fa na dia mandika lalàna aza. Io indrindra ilay ampitandreman’ny tenin’Andriamanitra eto : vato mizana reraka, famarana tsy marina, … (13-15), fomba fanaon’ny hafa izany fa ny Kristiana kosa aoka hampanjaka ny fahamarinana, izay ilay soatoavintsika. 

Firenena : Manana fahavalo iombonana. Miverina hatrany ny fampahatsiahivan’ny tenin’Andriamanitra ny tantaran’ny Zanak’Isiraely tany aloha. Tena marina fa ny tantara tsy fanadino. Eto dia asongadina manokana fa tsy tokony hohadinoina fa manana fahavalo izy ireo dia ny Amalekita, izay nampijaly azy ireo fahiny (17). Ny Kristiana ankehitriny koa dia manana fahavalo, tsy olona, tsy fivavahana fa fanahy ratsy dia ny “Devoly” izany, izay mila iadiana isan’andro. Ilaina noho izany ny manafatrafatra ny taranaka mba hanohy hatrany izany ady izany.

Fanentanana : Tena mila Kristiana miaina sy mampita izany « Soatoavina » izany ny vaninandro misy ankehitriny. Izany no ahafahantsika miatrika ireo adidy sy fanamby manoloana antsika.

Laisser un commentaire