DEOTERONOMIA 24. 10-25
Notahiana … Avy taiza ianao, ary avy aiza ny fitahiana anao ? Samy manana ny tantarany isika tsirairay avy, fa ny azo antoka dia samy mpanota ary tsy misy manana ny marina. Raha ny Zanak’Isiraely eto dia andevo tany Egypta teo aloha (18). Nefa noho ny famindrampon’Andriamanitra dia nanaiky nanavotra azy ireo tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo. Torak’izany koa isika izay nisitraka fotsiny ny famonjena avy amin’i Jesosy Kristy, nomeny antsika izany na tsy mendrika aza isika. Aoka heverina hatrany ny nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainantsika : “Tsarovy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo” (Isaia 51.1b).
Raha tsapanao izany dia mamolavola fomba fijery, toe-po, toe-tsaina vaovao, ary hafa no hitantananao ny fiainanao rehefa fantatrao hoe iza moa ianao teo aloha.Mba ho fitahiana ho an’ny hafa. Manana iraka mazava isika tsirairay izay navotan’Andriamanitra, tsy nataony hipetrapetra-potsiny. Tian’Andriamanitra koa isika mba ho fantsom-pitahiana ho an’ny hafa ka amin’ny alalantsika no hahitan’izy ireo ny hatsaran’Ilay nanavotra antsika:- Raha mampisambotra : dia mitsinjo izay hahatafarina azy- Raha mampiasa na mitsara : dia mihevitra izay hahasoa ny olona ampiasaina- Raha mioty vokatra : dia mahay mizara amin’ireo izay ao anatin’ny filànaNatao hitsinjo ny hafa isika indrindra fa ireo madinika izay napetraky ny Tompo manodidina antsika.
Saino : Raha isika Kristiana Malagasy no hahatakatra izany teny fahamarinana izany, fa nomena ianao dia mba natao hanome ny hafa ihany koa. Azo antoka fa hisy ny fiovana : Sarobidy aminao ny hitsinjo ny mpiray tanindrazana aminao.