NY TOETRAN’ANDRIAMANITRA

DEOTERONOMIA 23.1-26

Hentitra Izy (1-8). Tsy neken’Andriamanitra hiseho eo anatrehany ireo olona manana kilema (1), ireo nateraka tamin’ny firaisana ara-nofo tsy madio (2), ireo vahiny Aminita sy Moabita (3-6 ; vakio koa Nomery 22-24). Ary ahoana ny amin’ny Egyptiana sy ny Edomita (7-8) ? Ankehitriny kosa, na dia hentitra toa izany aza Andriamanitra dia mandray antsika, na inona mety ho kilemantsika, na inona momba ny lasantsika, na inona no foko misy antsika, izany dia noho ny fahasoavany ao amin’i Jesosy Kristy ! Manatona Azy ary amin’ny fatokiana sy ny fankasitrahana.Madio Izy. Sarotiny amin’ny fahadiovana Andriamanitra : na ho an’ny miaramila ao amin’ny toby izany (10-15), na ho an’ny tsirairay (16-17). Tsy misy mahazo manolo-tena ho amin’ny fijangajangana ny Isiraely, ary voarara ny mitondra ny tambin’izany ho ao amin’ny Tempolin’i Jehovah (18-19.

Fampitandremana : Tadidio fa tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanao ! (1 Korintiana 6.19-20) ; Ary ny rakitra aterinao any am-piangonana ve azonao tamin’ny fomba madio ?Mamindrafo Izy. Io Andriamanitra hentitra sady tia fahadiovana io dia tsy Andriamanitra tsy misy fo akory fa tena feno antra tokoa ! Eto izy dia mitsinjo ny andevo izay nandositra (16-17), sy ny malahelo izay voatery misambotra vola (20-21). Tsy tian’Andriamanitra hisy fifandonana ihany koa ao amin’ny fiaraha-monina koa asainy manefa ny voadiny izay nanao izany (22-24) ary tsy manararaotra  izay mahazo ny fanampian’ny namany (25-26).

Fehiny: fahamasinana, fahari-po sy fahitsiana no baikon’Andriamanitra amintsika araka ireo voalaza ireo.

Laisser un commentaire