DEOTERONOMIA 22.13-29
Lalàna ho fiarovana. Ny fanambadiana dia natao hifanohanana sy hifampiarovana fa tsy natao hifandotoana sy hanalam-baraka. Sekely volafotsy 100, sazy henjana, avo roa heny raha ampitahaina ny amin’ny lehilahy nisavika virijina tsy voafofo ho vadin’olona (28-29). Natao izao lalàna izao ho fiarovana ny vehivavy amin’ny fahafaham-baraka sy ho fisorohana ny fisaraha-panambadiana tsy amin’ny antony. Ny fahadiovam-pitondrantena mialohan’ny fanambadiana dia toy ny feta manamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady ka mihazona azy tsy ho mora rava foana.
Fongory ny fanao ratsy. Fanao ratsy no hilazana ny firaisana ara-nofo mialoha sy ivelan’ny fanambadiana na hifanarahana izany na miharo herisetra (fisavihana). Soatoavina ho antsika ny fahadiovam-pitondrantena ara-pananahana na tsy asian’izao tontolo izao hasiny intsony aza izany, indrindra, ho antsika kristiana tanora. Ny fanambintsika araka izany dia ny hanome voninahitra an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny tenantsika.
Hafatra: « … aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao. » (1 Timoty 5:22b)