DEOTERONOMIA 22.1-12
Fifanampiana sy fifampitsinjovana (1-4). Tena voamarina tokoa eto amin’ity andinin-tsoratra masina ity fa miorina eo ambonin’ny fitiavana ny lalàna. Ny fifanampiana sy fifampitsinjovana izay mitaky adidy sy andraikitra no mampirindra ny fiarahamonina; eny fa na dia eo amin’ny asa fanorenana trano aza dia tafiditra ao ny fitsinjovana ny hafa (8). Toetra tian’Andriamanitra hiainantsika araka izany ny fiheverana ny hafa fa tsy ny tenantsika ihany (Romana 15.1-2).Ny tsy fifangaroharoana (5-12). “Tsara raha mazava” hoy ny fitenintsika Malagasy; aoka ho lahy rehefa lahy ary ho vavy rehefa vavy fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny ankoatra izay. Na amin’ny fitafy (toetra) na amin’ny fambolena (voa afafy sy ny biby miasa) dia sorohan’ny lalàna avokoa ny zavatra mifamahofaho. Ny devoly manko dia tia zavatra mifangaroharo sy manjavozavo mba hahatonga ny olona ho mora fitahina. Ny tenin’Andriamanitra kosa eto dia manome baiko antsika mba hanao zavatra mazava sy marina mandrakariva.
Hafatra: « kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana. » (1 Korintiana 14:40)