TAFASARAKA

SALAMO 137

Maneho ny alahelony eto ireo lasa tany amin’ny fahababoana: nipetraka, nitomany,nahatsiaro an’i Ziona. Izao hira fitomaniana izao dia azo antoka fa noforonin’ireo babo nandritra ny fahababoana tany Babylona. Hira maneho ny fitiavana latsa-paka an’i Jerosalema ilay Tanana nofidian’Andriamanitra hiantsoana ny anarany. Eo afovoan’i  Babylona, izay Tanana mandroso mamiratra, matanjaka, misy ny ilaina rehetra, teo ny Joda no mitomany an’i Jerosalema izay tsy hoe lavitra ihany, fa mandeha any amin’ny faharavana tanteraka mihitsy. Araka izany tsy lojika raha eo amin’ny toerana toa izany no hihira ho an’i Jehovah araka ny fangatahan’ny mpamabo azy ireo. 

Ireo taranaka aty aoriana nihira izao salamo izao dia tokony hahatsapa ny toe-pon’ireo izay voababo  ka hisintona lesona amin’izany. Ho antsika ankehitriny kosa na toa inona na toa inona hatsaran’ny toerana misy antsika aty amin’ity tany fivahiniana ity, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny fanahintsika raha toa ka simba sy rava ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Hafatra: Aoka hanao ny fifandraisana amin’Andriamanitra ho antom-pifaliana ambony indrindra isika olony ; na amin’ny teny na amin’ny asa dia aoka tsy hahavanona na inona na inona raha manadino Azy (5,6).

Laisser un commentaire