ANTSO HO AMIN’NY FIDERANA

SALAMO 136.1-26 

Voalohany indrindra dia apetraka tsara amin’ny toerany aloha Ilay ho deraina. Antsoina amin’ny anarana telo eto Andriamanitra : 1°) Jehovah (1) ; 2°) Andriamanitry ny andriamanitra (2) ; 3°) Tompon’ny Tompo (3). Voatsipika tsara ny fiandrianana sy ny fahambonian’Andriamanitra manoloana ireo andriamanitra tsy izy ireo araka izany. Tsy amin’ny vava fotsiny anefa fa maneho kosa amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra fa tia Azy ianao ka tsy manonona foana ny anaran’i Jehovah na manana andriamanin-kafa (Eksodosy 20.3-7). Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe. Derao Andriamanitra amin’ny asa mahagaga rehetra nataony na teo amin’ny famoronana izany na teo amin’ny asa famonjena izay nataony (10-24).Derao Izy amin’ny Heriny (12). 

Ny herin’Andriamanitra tsy hay tohaina dia miasa ho amin’ny fanavotana ny olony. Ho antsika dia nasehony miharihary tao amin’i Jesosy Kristy izany heriny izany tamin’ny nanolorany Azy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena antsika.

Hafatra: “Aoka isika hanatitra fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia vokatry ny molotra manaiky ny anarany” Hebreo 13.15.

Laisser un commentaire