SAMBATRA BE AHO MANANA AN’I JESOSY

MATIO 11.25-30

Ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy Kristy ka nidera an’Andriamanitra (25). Io fehezanteny io dia voasoratra ihany koa taorian’ny niresahany tamin’ny mpianany 70 lahy (Lioka 10.20) « kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy ; fa  mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo ». Fiainana tsy ho takatr’izao tontolo izao sy ireo manam-pahaizana ao aminy mihitsy ny tontolon’ny fanahy. Nafenina azy izany fa ny zava-miafin’Andriamanitra kosa dia natokana ho an’ireo manetry tena hoharina amin’ny zaza. Natokana indrindra  ho an’ireo izay manao an’i Jesosy ho reharehany (1 Korintiana 1.31) sy izay nofidiany ihany.Fitsaharana. Iza amintsika no tsy mila fitsaharana amin’izao fiainana izao ? Araraoty Jesoa miteny amintsika io teny hoe « mankanesa aty amiko … » io (28). 

Tena sambatra isika raha manaiky ny hanome ny enta-mavesatra entintsika an’i Jesosy, fa ho soloiny fitsaharana ho an’ny fanahintsika izany amin’ny fanatonantsika Azy. Aleo misafidy ny mitondra ny olanao rehetra any Aminy toa izay amin’ny olombelona izay mety tsy haharitra mihaino anao akory. Ambarao Aminy ireo zava-drehetra manavesatra ny fonao. Ny Tompontsika dia malemy fanahy sady tsy mba miavona am-po. Ho fanehoam-pitiavana Azy dia tandremo ny didiny, izay tsy mavesatra akory (1 Jaona 5.3).  

Vavaka : Ray ô! Ampianaro aho hahay mametraka ny olako manontolo eo am-pototry ny hazo fijalianao, ka tsy hamerina hibata izany intsony fa handray kosa ny fitsaharana sy fiadanana izay omenao ahy ho solony. Fantatro izao fa efa manomana ny vahaolana rehetra eo amin’ny fiainako Ianao ka dia hatoky Anao aho. Amena!

Laisser un commentaire