MATIO 11.16-24
Aoka tsy hanakiana. Mihinana sy misotro i Jesosy lazaina fa fatra-pitia hanina sy nisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. I Jaona indray: nifady hanina, tsy nisotro divay lazaina fa misy demonia. « …fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany (Matio 11.19b). Aoka isika tsy hanao tahaka izany ka mitsara ivelany foana ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra. Fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany fa Jehovah kosa mijery ny fo (1 Samoela 16.7). Koa raha misy mitory ny fahamarinana aminao, mahaiza mibebaka tsy hahakivy ny Tompo. Fotoana hiovàna izao.
Jesosy Kristy teto dia nanao fampitahana ny toetran’ireo tanàna fahizay sy ny tanàna izay niara-niaina taminy. Lany haiky mihitsy Izy ny amin’ny hamafin’ny fon’ireto olona tao Korazina, Betsaida, ary Kapernaony. Efa nanaovany ny ankamaroan’ny fahagagana sy famantarana lehibe nefa mbola nanda Azy ihany, tsy mety nibebaka. Raha mba ny tanànan’i Tyro sy Sidona ary Sodoma mantsy, hono, no nanaovana izao famantarana izao dia efa nibebaka izy izay. Lozanareo hoy izy (21). Mihevitra ve ianareo fa hiakatra any an-danitra ? Tsia, ho any amin’ny helo ianareo hoy Izy (23). Manamafy fo. Na dia nahita mivantana ny fahagagana sy ny famantarana maro nataon’i Jesosy aza ny olona tamin’ireo tanàna ireo dia nanamafy ny fony izy ireo ka tsy nihaino na nino Azy. Ny teny mafy milaza loza ambaran’i Jesosy eto dia ny hanjo azy ireo amin’ny andro fitsarana fa ho mafimafy kokoa ny hanjo azy ireo noho ny hanjo ny mponina tany Tiro sy Sidona. Fitsarana hanao ahoana re izany?!
Fampitandremana: Ho antsika ankehitriny dia efa voalaza fa hiharatsy izao iainana izao arakaraka ny handrosoany (2 Timoty 3.1-5).Inona no atao? Miambina sy mivavaka ! (Efesiana 6.18)