MITAONA NY MARO HO AO AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA

MATIO 11.1-15

Jesosy ve ilay nandrasana? Raha tany am-pigadrana i Jaona Mpanao batisa dia nampanontany ny mpianany izy  raha i Jesosy tokoa no Ilay efa nandrasana. Tsy avy hatrany dia namaly eny na tsia ny  Tompo fa nilaza ireo porofo mitohoka amin’ny tenda dia ny asa izay nataony : mahiratra ny jamba, afaka mandeha tsara ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty ary itoriana ny filazantsara ny mahantra. Vokatra tsara ireo voatanisa ireo, tsy misy afa-tsy ny fitondrana fahasoavana eo amin’ny manodidina anao ny fisian’i Jesosy miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainanao, lasa vahaolana ho an’ny hafa ianao fa tsy mpitondra olana.

Iza moa i Jaona ? (7-9). Jesosy dia nampahatsiahy ny vahoaka ny tena antony nanarahan’izy ireo an’i Jaona tany an’efitra, nilaza mazava Izy fa lehibe noho ny mpaminany rehetra i Jaona mpanao batisa (10) ary ny asan’i Jaona dia  nialoha làlana ny amin’ny fahatongavan’ i Jesosy (Malakia 3.1), nitarika ny olona  hibebaka ka handovany ny lanitra (11). Raha araka ny fijerin i Jesosy dia tsy misy olona lehibe noho i Jaona raha samy natera-behivavy noho izao asa goavana napetraka taminy izao. Manan-danja eo anatrehan’ny Tompo ihany koa ny olona mahavita ny iraka izay nanirahan’Andriamanitra azy.Daniela 12.3 : « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria. » 

Vavaka : Tompo  o! ampianaro sy omeo hery izahay hahavita ny asa ampiandraiketinao anay, dia ny hitaona olona ho ao amin’ny fanjakanao. Amen!

Laisser un commentaire