HIHARAN’NY FANENJEHANA IANAREO….

MATIO 10. 16-33

Indro Izaho maniraka anareo… Fantatr’i Jesosy ny sedra  holalovan’ireo izay hirahiny  dia ny fanoherana mahery vaika, ny kapoka, ny fandrahonana ho faty, ny fanenjehana sns.. kanefa tsy nolazainy mba hampihemotra azy ireo izany fa mahavelombolo ny teny fampanantenana nomen’ny Tompo azy (26  ). Tsarovy fa tsy natao ho an’ny mpianatra nitory tany Isiraely ihany izany ny hafatra fa ho an’ny rehetra mamita iraka ihany koa amin’izao androntsika izao !

Alao hery ary ny fitoriana fa Ilay Tompo Lehibe manome antoka antsika hoe « Aza matahotra!! » (28-31)Toetra hijoroana. Voalohany dia mila mailo sy tsotra manoloana ny loza mananontanona. Mitaky fiorenana sy faharetana hentitra ary fatokisana tanteraka ny fitantanan’Andriamanitra manoloana ny sedra rehetra fa Izy no masimandidy. Ny Tompo dia eo amintsika mandrakariva. Voafetra ny fahefan’ny fahavalo mikendry fanapotehana sy fandravana izay nanirahana antsika satria miantoka ny momba antsika rehetra ny Tompo (Jaona 16.33).

Vavaka : Tompo ô, apetrakay tanteraka eo aminao ary ny momba anay rehetra satria matoky  izahay fa Ianao no Andriamanitra velona mamonjy  ny olona rehetra indrindra  fa izay mino (1 Timoty 4.10) .  Misaotra Tompo ! Amena.

Laisser un commentaire