MATIO 10.1-15
Mafonja sady maika ny iraka. Izany dia ny fitaomana ny zanak’Isiraely hiverina amin’Andriamanitra. Raha naniraka ny mpianatra 12 lahy Jeso dia nanome fahefana hanafaka ny aretina sy ny rofy rehetra mianjady amin’ny olona. Ny antony dia hampahafantatra ireo izay mitoetra lavitra sy mitoka-monina fa tsy lavitra azy ireo akory ny fanjakan’Andriamanitra. Mbola maro anefa no tsy manokatra ny fony manoloana ny famindrampon’Andriamanitra hany ka maika tokoa ny fanatanterahana izany iraka izany ankehitriny.
Manana fahavononana ve ianao handray anjara amin’izany ?Fanatanterahana ny iraka. Miainga tsy mitondra na inona na inona ny mpianatra fa miantoka ny rehetra ny Mpaniraka. Hahatsapa izany tokoa izy ireo aoriana kely ao (Lioka 22.35) fa tsy nisy zavatra nampahory azy ireo tokoa. Fampaherezana ho an’ny manaiky handeha hamita iraka izany !Fandraisana ny iraka amin’ny toerana halehany. Noraran’i Jeso tsy hitondra vatsy manokana ny Apostoly fa hiankina amin’ireo mpampiantrano mba hisian’ny fifandraisana akaiky. Ka ny antoky ny ho avy dia miankina amin’ny fomba handraisan’ny mpampiantrano ny iraka avy amin’ny Tompo. Mpitondra ny vaovao mahafaly ny mpianatra ka izay mandray azy ireo dia hitoeran’ny fiadanana fa izay tsy mandray kosa dia hihatra aminy ny fanamelohana mandrakizay satria nandà ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra.
Vavaka : Tompo ô, inty aho : toa ireo mpianatrao, iraho aho fa vonona handray anjara amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny Fanjakanao . Amen!