MBOLA MIASA HATRANY NY FINOANA


MATIO 9. 27-38

Amin’ny alalan’ny asany (27-35). Ny finoana tsy misy asa dia maty (Jakoba 2.14-26). Hita eto ary fa  Jesoa manamaivana ny fijalian’ny vahoaka. Nitondra fanavotana tanteraka ny finoana Azy ka nahiratra ny jamba (27-30) ary niteny ilay demoniaka moana (32-33). Tsy vitan’izany fa nitety ireo vohitra maro nanasitrana ny marary sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana (35) mba handre avokoa ny rehetra. Mbola maro ireo mampiasa ny finoany mba ho sitrana sy hanavotana ny namana (28-29 ;32-33). Na teo aza ny tsy fifalian’ireo Fariseo noho ny fialonana dia nanohy hatrany ny fitoriana ny fahatsaran’Andriamanitra Izy.

Hanohizana izany dia anjarantsika kosa ankehitriny ny mampahafantatra ny filazantsaran’ny famonjena koa andeha hambarantsika izany hatrany amparan’ny tany !Amin’ny alalan’ny fandrisihana hentitra (36-38). Mba hitohizan’ny asa ka hampaharitra izany  dia mila mpiasa maro hamory ny vokatra satria « be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy ». Atao ahoana tokoa no fandre raha tsy misy ny mpitory  ary atao ahoana ny fitory raha tsy nirahina?” (Romana 10.14-15). Mazoto amin’izany ve ianao ? Ny olona iray tena resy lahatra tamin’ny famonjen’i Jesoa Kristy manko  dia tsy avelan’izany halaina mihitsy fa miroso amin’ny fizarana izany famonjena izany izay tsy mila tambiny satria nomena maimaimpoana dia mizara maimaimpoana ihany koa (Matio 10.8). 

Fahamarinana : Maniraka antsika mpino ary ny Tompo anio hirotsaka  an-tsehatra  hitory ny filazantsara ary hijoro vavolombelona amin’ny finoana hiainana eo amin’ny manodidina antsika.

Laisser un commentaire