NY FIASAN’NY FINOANA

MATIO 9.14-26

Amin’ny alalan’ny fampianaran’i Kristy (14-17). Ampianarina eto fa ny tonta sy ny vaovao dia tsy mahay ary tsy natao hiaraka.  Noho izany ny siny vaovao dia natao ho an’ny divay vaovao mba ho voatsimbina izy roa (17). Torak’izany koa mila olom-baovao  nohavaozin’ny finoana  ny fanarahana ny fiainam-baovao miaraka amin’ny Tompo (vakio 2 Korintiana 5.17 ; Jaona 3.1-11). Tena resy lahatra ve ianao fa efa olom-baovao sa mbola ilay mandeha am-pahazarana fotsiny? Amin’ny alalan’ny Asany.

Ny finoana dia avy amin’ny fihainoana an’i Kristy (Romana 10.17). Misy foana ny asa lehibe ateraky ny finoana avy amin’ny Tenin’i Kristy. Hitantsika eto Jesoa izay manasitrana marary nolazoin’ny aretina aman-taona sy manangana vatana iray efa tsy nisy aina intsony. Jesoa tokoa no fiainana ! (Jaona 14.6). Diniho ange ity vehivavy efa narary nandritra ny roa ambin’ny folo taona ity nanavatsava ny vahoaka rehetra satria ny finoany dia ho sitrana izy raha mahakasika ny lamban’i Jesoa ary torak’izany koa ilay mpanapaka izay niankohoka ka naneho ny finoany fa vitan’i Jeso ny hamelona ny zanany vavy ? Dia tonga taminy araka ny finoany izany ka dia tanteraka tokoa (29). Deraina ny Tompo ! Efa iainanao ve ny fampiasana ny finoana anananao ? Hevero izany !

Fahamarinana : Tsy miova Jesoa Kristy, mbola manasitrana Izy ankehitriny ka mitondra fiainana ho an’ny rehetra mino Azy ! Mankasitraka Tompo ô !

Laisser un commentaire