MATIO 9.1-13
Mitsangàna ary mandehana. Ny mandrafitra ny olona iray dia vatana sy fanahy ary saina ka rehefa mamonjy Jesoa Kristy dia ireo rehetra ireo no tiany havaozina. Arak’izany na antony hafa aza no nanatonan’ilay marary Azy teto, dia ny aretin’ny fanahy no nositraniny voalohany. Rehefa miaiky heloka tokoa manko ny olona iray ka matoky fa voavela amin’izany dia omen’ny Tompo manaraka ny fahasitranan’ny nofo. Very hevitra ary ireto Fariseo manoloana izany fanasitranana izany. Mihevitra izy ireo manko fa fanatitra no ilaina hahazoana famonjena.
Mifanohitra amin’ny hevitr’Andriamanitra izany izay mamaritra fa « Fahasoavana no hamonjena ny olona amin’ny finoana fa tsy ny asa (Efesiana 2.8,9). Hitady sy hamonjy ny very. Izany no nahatongavan’i Jesoa, hany ka teto dia ny Mpamory hetra , izay olon-dratsy eo amin’ny fiaraha-monina Jiosy no nantsoiny sy nirahany hitondra ny filazantsara ho an’ny olona rehetra.Tonga Izy mba hanasitrana ka manakaiky ny marary.Tonga Izy hamela heloka ka manatona ny mpanota mba hitondra azy ireo amin’ny lalan’ny fibebahana.
Fanentanana : Fotoana anio hanekena an’i Jesoa Kristy : manolotra fanavotana tonga lafatra Izy ho an’ny rehetra mbola voafatotry ny fahotana koa araraoty izany fitiavan-dehibe izany fa aza mangatak’andro !