Lioka 23:42-43

« Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. »

Lehibe ny fahotan’ilay jiolahy ka tsy azo alan-tsiny. Mpandika lalàna izy ary tandrify azy ny ho faty noho izany. Izy tenany koa tena nanaiky izany.

Nefa vao mainka lehibe sady tsy takatry ny saina ny famindrampo azony. Tsy nanam-potoana hihatsarana izy, ary tsy hanana andro hanaovana asa soa na hisaorany an’i Jesosy, ary tsy hisy koa ny fotoana hanehoany ny maha mpibebaka marina azy. Tafalentika lalina ao anatin’ny fahotana izy. Faraidiny indrindra amin’izay fantatra izy. Ary fanampin’izany dia iray dia monja no elanelany sy ny fahafatesana.

Nefa na izany aza dia nahazo famonjena izay. Tsy takatry ny saina ny halehiben’ny fahasoavan’i Jesosy. Tsy misy teny fanomezan-tsiny nataony. Tsy misy famotopotorana nataon’i Jesosy ny amin’ny fibebahany na marina izany na tsia. Fitiavana sy famelan-keloka ihany no azon’ilay jiolahy. Fahatsiarovana fotsiny no angatahiny, nefa nahazo ny Paradisa. Tsy mendrika hiara-belona amin’ny olona eto an-tany izy. Miara-miditra amin’i Jesosy ho ao an-tranon’Andriamanitra izy.

Odrey! Fitiavan-dehibe tsy hita lany izany!

Laisser un commentaire