« Ary hoy Jesosy: Raiko ô! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. »
Taorian’ny nitenenan’i Jesosy tamin’ireo vehivavy nitomany nanaraka Azy teo an-dàlana nankany Golgota, dia nangina mihitsy Izy.
Nampandrina tao amin’ny hazo Izy, nofantsihina ary natsangana teo amin’ny hazo fijaliana. Naharary mafy ny Tànany sy ny Tongony noho ny faneren’ny fantsika azy, fa vao mainka nitombo hatrany hatrany izany fanaintainana izany noho ny havesatry ny tenany. Fangirifiriana tsy hain’ny vava lazaina izany, fa tahaka ny nifanintonan-javatra ny tenany rehetra. Nitsangana teo nanodidina Azy ny mpamono Azy, ary ny teny foana nataony dia nampangirifiry ny fon’i Jesosy toy ny fery nokapohina.
Vao izay no niteny Jesosy, tsy nandrahona, tsy nitaraina fa nangataka kosa. Hataka tsy fitadiavana fanampiana avy amin’olona, tsy fangatahany an’Andriamanitra hanamaivana ny fahoriany, fa hataka ho an’ireo fahavalony – ireo nampijaly Azy – Hoy Izy, hoe: « Ray ô! mamelà ny helony. » Izy tenany dia namela azy. Tsy misy lolompo ao Aminy, tsy misy fitiavana hamaly ratsy ao am-pony, lavitra Azy ny hankahala fa fitiavana no mameno ny sainy. Ary Izao Izy dia nangataka an’Andriamanitra Ray koa hamela heloka ireo. Nanala tsiny azy ireo Izy, ka nanao hoe: » Tsy fantany izay ataony. »
Odrey izany halehibem-pitiavana sy famelan-keloka! Fantatro fa tian’i Jesosy koa aho, ka tiany havela koa ny heloko.
Tompo ô! Ampianaro aho mba hanam-pitiavana, eny ho tia ny fahavaloko koa.