Matio 27: 33-34

« Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Golgota Izy, izany hoe Ikarandoha, dia nomeny divay miharo afero hosotroiny, ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro. »

Ny divay miharo afero dia zava-pisotro mahadonto. Na dia tsy tena manafaka ny fanaintainana aza io fisotro io dia mba misy vokatsoa kely ihany avy aminy, fa mahatonga an’ilay miala aina ho renodrenoka. Nefa Jesosy, nandà izany fisotro izany, satria Tiany ny mahatsiaro tena ao am-pialan’aina. Ireo ora nijaliany ireo, dia fotoana nampangirifiry Azy fatratra indrindra amin’ny naha-teto an-tany Azy; nefa na dia izany aza, dia Tiany ny hanararaotra azy hanaovana soa hikarakarany fianakaviana, hivavahany ho an’ny mpamono Azy, hitaomany ny mpanota hanatona an’Andriamanitra. Toa hadinony ny fanaintainan’ny tenany tamin’ny fanaovany soa.

Izao dia misy antony anankiray koa tsy hisotroany izany zavatra mahadonto izany; Tiany ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy ny nijaly mihoatra noho izay voatendrin’Andriamanitra, nefa izay voatendriny kosa dia tsy Tiany hialana. Tiany hiaretana ny fijaliana rehetra voatendry hihatra Aminy.

Laisser un commentaire