« Ny sasany vonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. »
Teny fanamavoana izany. Sady marina no tsy marina.
Hainy ny hamonjy ny Tenany. Azony natao ny ho nangataka ny Rainy haniraka anjely roa ambin’ny folo lejiona izay hamonjy Azy amim-boninahitra ho afaka amin’ny fangirifiriana rehetra. Hataka indraim-bava monja no Ataony amin’Andriamanitra dia ampy ho nampianjera amin’ny tany an’i Pilato sy ireo miaramila, ka nahatonga an’ilay làlam-panaintainana any Jerosalema ho tetezana mampikambana ny lanitra sy ny tany, ary ho nanjary elatra ny holatry ny nohomboana; ny hazo fijaliana dia ho tohatra niakarany eny amin’ny lanitra mivoha.
Nefa raha izany dia very izao tontolo izao. Tsy azony natao ny sady hamonjy ny tenany no hamonjy ny hafa.
Eny, tena tsy ho azony natao ny namonjy ny tenany, satria tia izao tontolo izao Izy. Ny fitiavana, no nandrara Azy tsy hamonjy ny Tenany. Ny maha-lehibe indrindra ny fijalian’i Jesosy, dia ny nijaliany ihany na dia nisy làlana ho nahafahany tamin’izany aza.
Tsy misy fandresena lehibe mihoatra noho ny handà ny tena tsy an-tery.