« Manindrona ny tongotro aman-tànako. »
Tiako ilay Tànana voatsindrona. Satria tia ahy ny Tompon’ilay tànana. Ny mampiseho izany dia ny holatry ny nohomboana. Fitiavany ahy, no netezany hofantsihana amin’ny hazo. Raha misaina ny tànana voahombo aho dia mahalala fa tiana.
Raha mamesatra ahy ny fahotako, ary mangovitra noho ny fahatezeran’Andriamanitra aho dia tonga manarona ahy io tànana io. Ny holatry ny nohomboana dia manambara famelan-keloka. Tsy manome tsiny ahy Izy. Tsy mamaly ahy ny Tànany. Apetrak’i Jesosy amiko am-pitiavana izy ka manaisotra ny pentimpentin’ny fahotako.
Mahery ny Tànany. Io Tànany io no nanondro ny tany rehetra ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra. Ary io Tànana Tsitoha io no mitsangana miaro ahy. Miaro ahy amin’ny fanenjehan’ny ratsy izy. Miaro ahy amin’ny loza aman’antambo Izy. Manohana ahy Izy raha mila hivily làlana aho. Hitari-dàlana ahy isan’andro isan’andro. Ary raha kivy aho dia manambitamby ahy amim-pitiavana Izy ka manafaka ny fahakiviako. Isaorana anie Andriamanitra noho Ilay Tànana voahombo.