« Tsy hisy hotapahina ny taolany. »
Raha homboana amin’ny hazo fijaliana ny olona, matetika dia tsy maintsy misy taolana tapaka aminy satria nanohitra mafy dia mafy ilay meloka rehefa fantsihana ny tànany sy ny tongony. Na dia fantany mazava aza fa tsy ho afaka izy, dia mihetsika mafy noho ny fangirifiriana sy ny tahotra ny fahafatesana.
Nefa amin’izay dia nohenjanina an-ditra ny tànany fa tsy nisy fangoraham-po amin’ilay meloka. Dia mora nioritra ny tànany tamin’ny namatsihana azy. Nony efa voatsangana ny hazo fijaliana dia mbola mihetsika ihany noho ny fangirifiriana ilay nijaly ary mora tapaka ny taolany efa nioritra teo. Indraindray dia tapaka amin’ny hatotanany izy, fa indraindray kosa dia ambonimbony kokoa.
Nefa rehefa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Jesosy dia tsy nisy notapahina ny taolana. Antsitrapo tokoa ny namelany ny tenany hohomboana tamin’ny hazo. Tsy nanohitra Izy na dia nofantsihana aza. Toy izany koa Izy raha natsangana ny hazo, satria ny sitrapon’Andriamanitra ihany no sitrapony. Lehibe tokoa ny fitiavany izao tontolo izao. Vonona tamim-pahazotoana hijaly Izy. Nanaiky hatramin’ny fahafatesana Izy dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.