Jaona 19:17-18

« Izy nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana. »

Ry Golgota! Tsy misy toerana mahatsiravina noho hianao eo amin’izao tontolo izao. Maharikoriko ny Jiosy rehetra hianao, fa havoana maloto. Ny vorona mpihaza kosa tia anao, ary ny taolan’ny maty mitantara ny toetrao ratsy. Havoan’ny fahafatesana izay nahataperan’ny andron’ny ratsy fanahy indindra hianao. Ry Golgota, toerana mahatsiravina. Niseho ho mpandresy teo aminao ny fankahalana. Nihoby ny Helo, satria novonoina teo Ilay masina tokana Zanak’Andriamanitra. Hianao no toerana famonoana olona izay nigororoan’ny rà marina.

Kanefa na dia izany aza, ry Golgota, toerana mamiko indrindra hianao! Toerana naharesena ny Helo! Toerana nandresen’ny fitiavana. Toerana nigororoan’ny ran’ny fanatitra. Toerana mahavoavotra ahy. Toerana tsy andrenesana ny kotroka tany Sinay. Toerana ahasahiako manatrika an’Andriamanitra na dia mpanota aza aho ary mijery Azy faly amiko. Toerana izay anginan’ny feon’ny mpanameloka rehetra. Toerana nandaminana ny raharaha momba ny fanahiko. Toerana nanorenana ny famonjena ahy.

Eny, ry Golgota, odrey ny fitiavako anao. Tsy handao anao aho na oviana na oviana.

Laisser un commentaire