Tontolon’ny Fanahy

VITA HOY JESOSY teo amin’ny hazofijaliana !

Ao amin’ny tontolon’ny Fanahy dia efa vita ny zavatra rehetra! Eto amin’ny tontolon’ny nofo kosa dia mbola « en cours » daholo ny zavatra rehetra ho antsika!

-Ao amin’ny Fanahy : vita ny ady, tanteraka ny fandresena; ato amin’ny nofo mbola ady isan’andro (Gal 5.16) ary izay maharesy no handova (Apok 2 sy 3).
-Ao amin’ny Fanahy : efa voahombo miaraka amin’ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho hoy i Paoly (Gal 2.20); ato amin’ny nofo : i Paoly iany no nanambara : vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany… (Kol 3.5).
-Ao amin’ny Fanahy : efa tanteraka, efa masina; ato amin’ny nofo : mihalevona isan’andro ny toetray ivelany, mihavao ny toetray anatiny (IIKor 4.16), Miezaha mitady fihavanana… ary fahamasinana (Heb 12.14); Mba ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy (Efes 4.13)
-Ao amin’ny Fanahy : efa niara-napetrany miaraka amin’ny Jesosy any an-danitra isika (Efes 2.6), eto amin’ny nofo : na dia misy teny fikasàna aza fa hiara-mandova Aminy isika dia aoka isika hatahotra sao misy aminareo toa tsy ahatratra izany (Heb 4.1).

Izany dia ahatonga antsika tsy hatoritory na hieritreritra fa efa vitan’i Jesosy ny zava-drehetra ka dia hiandry ny fihaviany sisa fa efa azo antoka ny ho avy! Tsia, asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia ny tenako kosa no ho lavina (IKor 9.27).

Mana isanandro _ Pasteur Tovo

Laisser un commentaire