« Ry zanakavavin’i Jerosalema aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. »
Ny hazo fijalian’i Jesosy mbamin’ny tantaran’ny fijaliany dia mitaky zavatra hafa mihoatra noho ny fangoraham-po. Raha misy olona vonon-ko faty hisolo ny hafa dia tsy manao izany mba hangorahan’ny olona azy izy. Mety ho sarobidy ihany ny ranomaso, nefa tsy ampy hahatonga ny olona ho faty hisolo ny hafa.
Samy hafa ny fihetseham-po sy ny nenina. Ny fihetseham-po mahatonga ny saina hangoraka vetivety, ary vetivety indray dia mangatsiaka, ka tonga be lavitra noho ny taloha ny hatsiaky ny fo sy ny tsy firehana. Ny fihetseham-po be loatra dia mandrakariva arahin’ny fihemorana. Fa ny nenina marina kosa dia arahin’ny fibebahana sy ny toetra masina. Ny nenina dia ny fitomaniana noho ny fahotan’ny tena. Na dia tsy mampiova ny fo aza ny nenina dia miasa fibebahana ny alahelo araka an’Andriamanitra. Ny nenina marina sy ny ranomasom-pibebahana dia mitarika ny olona ho eo amin’i Kristy.
Raha ny fiheverana ny hazo fijalian’i Kristy sy Golgota no mahatonga ranomasom-pangorahana sy fihetseham-po fotsiny, dia fanaovana tsinontsinona ny masina ihany izany. Ny anton’ny ahafatesan’i Kristy dia ny hialantsika amin’ny fiainana feno fahotana ka ho velona ho Azy.
Henoy ny tenin’i Jesosy manao hoe: Mitomania ny tenanareo. Mitomania noho ny fahotanareo. Mitomania noho ny hatsiaky ny fonareo sy ny tsy firehanareo. Ary aoka ny fitomanianareo harahim-piainana masina ary haharitra amin’ny fanarahana an’i Jesosy.