Jaona 18:8

« Raha izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto »

Tonga ny mpiambina. Mitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. Mitsena azy amim-piadanana Jesosy, fa vao avy nandresy tamin’ny adiny mafy teo. Nahery mihitsy Izy ka tsy nisy tahotra na fisalasalana intsony.

Teny indraim-bava monja no nataony dia nampianjera ireo miaramila mitondra fiadiana ireo. Nitsangana indray ireo kanefa nalemy saiky tsy nahahetsika. Indroa Jesosy no nanontany hoe: « Iza no tadiavinareo? « ary namaly indroa koa ireo hoe: « Jesosy avy any Nazareta. » Dia hoy i Jesosy hoe: « Izaho efa nilaza taminareo hoe:  » Izaho no Izy, raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto. « 

Odrey izany teny soa ho antsika nataon’i Jesosy tamin’ny fivoahana tao Getsemane, dia ny hoe: « Inty Aho, fa avelao handeha ireto. « 

Tsy noho ny soa vitan’ireo mpianatra ireo no namelan’i Jesosy azy handeha, fa raha ny toetry ny mpianatra tamin’io alina io no heverina dia olona tsy niraika ny amin’i Jesosy izy; tsy nety niara-nalahelo taminy, natoky tena, tsy nihevitra afa-tsy ny amin’ny nofony, tia voninahitra, kanosa, tsy mahatoky. Kanefa na izany aza dia tia azy Jesosy ka hoy Izy hoe: « Avelao handeha ireto, fa Izaho no sambory. « 

Tenin’ny Mpisolo antsika mandrakariva izany. Ataony aminao koa izany anio. Avelao ho afaka ny mpanota, fa Izaho avelao ho faizina hisolo azy. Minoa Azy dia ho afaka hianao.

Laisser un commentaire