Lioka 22.44

“Ary fadiranovana Izy ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.”

Tsarovy izay novakintsika omaly dia ny amin’ireo zavatra roa nampangidy fatratra ny fahafatesan’I Jesosy. Anio isika mbola handinika bebe kokoa ny amin’ny ady mafy nataon’ny Mpamonjy, indrindra ny amin’izay zava-tsarotra hita maso nihatra taminy.

Ny zava-dalina iheveran’ny olona an’I Getsemane sy ny hatsaran-tarehiny dia avelantsika, satria, tamin’I Jesosy, Getsemane dia tsy mba tsara tarehy.

Vakio miadana ilay andininy eo, fa ny teny tsirairay aminy dia manambara ny fijaliany. Tsy voalaza fotsiny hoe: nijaly fa voalaza hoe: fadirovana, ka teny manambara fangirifiriana mafy izany. Nivavaka Jesosy tamin’izay, eny nivavaka mafy sady mbola nandroso nivavaka, nivavaka mafy kokoa.

Araka ny teny eo amin’ny Heb.5.7 dia nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be Izy.

Tsemboka Jesosy tamin’izay. Na dia nangatsiaka aza ny alina dia tsemboka Izy; ka nanomboka nipotrapotraka ny dininy ary farany dia nanjary ra izany.

Tsy namaoaka azy Izy fa navelany handeha mitete amin’ny tany. Niady mafy sy nijaly Izy.

Laisser un commentaire