“…ity kapoaka ity”.
Andramo ny mijery ao amin’ny kapoakan’I Jesosy feno fanaintainana. Inona no nahatonga ny kapoakany ho navesatra sy nampangidy ny tao anatiny?
Izao: Feno fanaintainana tsy takatry ny saina noho ny fijaliana sy fahafatesana hiaretana ho fanavotana. Ny fijaliana sy ny fanavotana ho an’ny taranak’olombelona rehetra mandrakizay dia tafangona ao amin’ny kapoakan’I Jesosy. Ny heloky ny olona anankiray dia lehibe, ampy hampijaly mandrakizay; ka hevero ny havesatry ny fijalian’I Jesosy, fa ny valin’ny helok’izao tontolo izao no nakambana tao amin’ny kapoakan’I Jesosy Mpisolo antsika hosotroiny. Odrey, fijaliana mangidy tokoa izany!
Tsarovy koa fa Izy no Andriamanitra Ilay Mpisolo antsika, ka izany vao mainka nampitombo ny haratsin’ny fahafatesana, satria vahiny amin’Andriamanitra ny hoe maty.
Isika olombelona kosa dia voaomana ho amin’ny fahafatesana noho ny fahotana, fa anjakan’ny fahafatesana hatramin’ny nahaterahana. Nefa Ilay masina sy madio, Zanak’Andriamanitra, dia nifanena tamin’ny fahafatesana, tamin’ny fanoherana mafy sy tsi-fitiavana. Izay nilaza ny tenany hoe: “fiainana” no tsy maintsy ho faty. Ilay tsy nahalala ota, dia natao ota. Ilay voatahy dia tonga voaozona hamonjy antsika (Gal.3.13) Izy Izay Zanak’Andriamanitra dia hiantso hoe: Nahoana no dia nahafoy Ahy Hianao. Iza no manan-tsaina mahatakatra ny halalin’ity fijaliana ity. Hankalazaina anie ny fitiavanao lehibe ry Jesosy ô.