FAHAMARINANA SAMIHAFA

OHABOLANA 22:1-16

Mampianatra ny fomba fampiharana ny fahatahorana an’Andriamanitra amin’ny fiainana andavanandro ny bokin’ny Ohabolana. – Tsara ny laza tsara sy ny fitia noho ny harena be, volafotsy ary volamena (1). Fandresen-dahatro ve izany?- Na manan-karena na mahantra dia samy noharian’Andriamanitra ary mitovy eo imasony. Andriamanitra mitahy izay miahy ny mahantra. (2,9)- Fampitahana (3,5)• Manoloana ny loza, ny mahira-tsaina miatrika izany amin’ny fahendrena, fa ny kely saina mampandroso izany. • Ny maditra mandroso amin’ny lalana feno faharatsiana izay hiteraka loza, fa ny hendry kosa miaro tena. – Mivaly ny atao. Harena sy voninahitra ary fiainana no ho setrin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’Andriamanitra. Fahoriana kosa no ho setrin’ny heloka (4,8).- Zava-dehibe ny fanabeazana ny zaza dieny mbola eo am-piandohan’ny fiainany satria hamolavola ny maha izy azy izany (6,15). – Porofom-pitiavana tena ilaina ny fanitsiana sy ny famaizana (3.11-12; 13.24; 19.18; 23.13-14; 29.15, 17). – Tamin’ny zanak’Israely, ny olona tsy mahaloa trosa dia afaka amidy ho andevo ary tapahan’izay nividy azy noho ny tsy nahaloavany ny trosany (7). – Ny fandroahana ny mpaniratsira no vahaolana sy fanapahan-kevitra entitra tsara raisina ho fampitsaharana ny fifandirana (10).- “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no hitenenan’ny vava” (11; Matio 12.34; 15.19; Kolosiana 3.16)-  Zava-dehibe ny fahalalana satria miaro. Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ahazoana azy (12, 1.7). –  Ny olona kamo mahita lazaina mandrakariva hanamarinany ny hakamoany tsy hiasa (13).-  Mampiasa sarinteny ny mpanoratra milaza ny loza hihatra amin’izay resy lahatrin’ny tenin’ny vehivavy janga (14; 5.3-5; 7.27). Tandremo! Tsy ho afaka ao ianao.-  Tokana no iafaran’ny manararaotra ny mahantra sy ny manome ho an’ny manana: fahantrana! (16)

Laisser un commentaire