NY TSODRANON’I MOSESY

DEOTERONOMIA 33:1-17

Fampahatsiahivana ny asan’Andriamanitra. Tahaka an’i Jakoba (Genesisy 49) dia nitsodrano ny Zanak’Isiraely (na Jesorona. 5) koa i Mosesy (1) ka mitodika amin’i Jehovah (2), Ilay Loharanon’ny fitahiana rehetra izay naneho ny tenany tao Sinay (Eksodosy 19.18) ka nanome ny teniny (3-4) izy aloha. Robena, Joda, Levy. Na dia very fizokiana aza i Robena (Genesisy 49.4) dia izy ihany no notononin’i Mosesy voalohany ary nirariany mba ho velona fa tsy ho faty (6). Misy dikany kosa angamba ny toeran’i Joda, faharoa amin’ny tsodrano (7a): tsy  azo heverina ve fa lasany ny fizokian’i Robena satria avy ao aminy no hipoiran’i Davida (mpandresy ny mpandrafy azy. 7b) sy ny Mesia ? Andraikitra lehibe kosa ny an’i Levy amin’ny asa fisoronana sy fampianarana ny lalàna (10). Nisongadina izy raha tsy nijery havana nanatontosa ny baikon’Andriamanitra (9; Eksodosy 32.25-29). Benjamina sy Josefa. Benjamina faralahy dia voalaza fa malalan’i Jehovah harovany manokana (12). Josefa kosa dia nahazo fankasitrahana avy amin’i Jehovah (16b) ary fitahiana safononoka ara-pivelomana  avy amin’ny tany, ny lanitra, ny rano  (13, 16a), ary ny tendrombohitra (15). Ny tandroka dia mariky ny hery handresena ny fahavalo (17a). Amin’ny lafiny iray dia azo lazaina fa lasan’i Josefa koa ny fizokian’i Robena (ny lahimatoa mahazo anjara roa. Deoteronomia 21.17) satria Efraima sy Manase zanak’i Josefa dia samy hahazo anjara lova mitokana avokoa (17b).

Inona no tsodrano tsara indrindra ? Ny ahazoan’ny taranaka mankato  ny Tenin’Andriamanitra dia ny lova sarobidy izany (4).

Laisser un commentaire