DEOTERONOMIA 31.30-32.22
Votoatin´ny hira (1-10). Navadika hira ny hafatry ny Tompo, amin’izay tadidy foana. Voalaza ao anatin’ny hira ny toetran’Andriamanitra (lehibe, vatolampy, marina sy mahitsy, mahatoky sns…). Mila mahatsiaro ny andro fahiny nanehoany ny heriny sy ny hatsarany isika mba tsy hivadihana Aminy. Tsy nikatsaka afa tsy ny hahasoa ny Israely ny Tompo nefa dia nivadihany foana. Andriamanitra mihitsy no niantoka ny fiainan’ny zanak’Israely tamin’izany. Nanome zara-tany, niady tamin’ny fahavalo sns… nefa indrisy!!! Fivadihana foana no vokany. Mbola tsy niova ny Tompo, mbola mandray andraikitra anao foana Izy, inona no avalinao Azy?Fiainana be dia be (11-22). Rehefa mamaky sy mandinika ity hira ity isika dia variana mihitsy. Fiainana be dia be no atolotry ny Tompo ny vahoakany. Inona moa no andrasantsika eto amin’ity tany ity, moa tsy izany ve?
Efa atoro antsika ny hahazoana izany, hoy i Jesosy: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10.10b). Matetika rehefa mahazo fitahiana ny olona ka milamina ny fiainany, mahita fahombiazana dia manadino Ilay Loharano nipoiran’izany. Ilay zavata azo indray no toa lasa andriamanitra. Voky Jesoroana ka namely daka, hoy ny hira eto. Tena mampalahelo ny Tompo izany ary aza gaga raha toa ka avelany handalo ady foana isika mba hifikitra Aminy. Mila miova ny toe-po sy ny toe-tsaina manoloana ny fitahiana sy ny fahombiazana mba hisandratan´ny voninahitry ny Tompo. Vela-pandrika ataon’ny fahavalo ny vola sy ny harena rehefa tsy mitandrina ny mpino. Tezitra sady malahelo ny Tompo raha vao atakalo zavatra hafa.
Vavaka: Tompo o! Ampianaro aho mba ho tena tia Anao ka na mahantra aho na manana dia hifikitra Aminao foana. Aoka ny fiainana mandrakizay no ho tanjoko mandrakariva. Amen!