HAFATRA FARANY

DEOTERONOMIA 31:1-13

Nahavita ny iraka (1-6). Nahatanteraka ny asa nasain’ny Tompo nataony i Mosesy na tsy hiditra any Kanana aza. Sarotra sady nanahirana ny fitondrana ny zanak’Israely saingy tonga soa aman-tsara eo amoron’i Jordana. Tsy handeha irery anefa ny vahoaka fa mbola hiaraka aminy ny Tompo hiady ho azy hahazahoany ny lovany. Nahay nanomana mpisolo koa i Mosesy ka i Josoa indray no hitarika. Nampahery ny vahoaka izy mba tsy hatahotra satria efa nahita ny asa mahagaga nataon’ny Tompo avokoa ny vahoaka. Hoy i Paoly hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” (2 Tim.4.7-8).

Afaka miteny toy izany koa ve ianao manoloana ny iraka nampanaovin’ny Tompo anao? Sambatra izay nahatanteraka ny fihazakazahany tety an-tany.Voafidy (7-8). Nampahafantarin’i Mosesy an’i Josoa ny tenin’ny Tompo fa Izy no hampiditra ny zanak’Israely any Kanana. Tsy mora izany andraikitra izany ka nampahery azy i Mosesy. N’inona n’inona andraikitra omen’ny Tompo anao dia tsarovy mandrakariva io teny io fa tsy handeha irery ianao fa Izy no homba sy hampahery anao. Nanaiky mora i Josoa satria efa hitany ny asa nataon´Andriamanitra nandritry izay efa-polo taona izay.Noraketina an-tsoratra (9-13).

Nosoratana mihitsy ny lalàna mba tsy ho hadino. Ny teny mantsy manidina fa ny soratra mitoetra. Mila ampahafantarina ny olona rehetra izany isaky ny tonga ny fotoana hivorian’ireo amin’ny fety firavoravoana isan-karazany. Zava-dehibe ny fampahafantarana ny tenin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra mba ho hainy ny fampiharana azy. 

Laisser un commentaire