FANARENANA INDRAY!

DEOTERONOMIA 30:1-20

Fitiavana lehibe (1-10). Endrey izany halalin’ny fitiavan’Andriamanitra ny zanak’Isiraely. Maditra, manao hadalana, mivadika, manao tsinontsinona ka niharan’ny ozona noho ny tsy fankatoavana. Rehefa mahatsiaro miverina anefa fa tapa-kevitra hiala amin’ny ratsy dia raisina indray. Toa hita sary an-tsaina mihitsy ilay tanam-pitiavana mitsotra mitsena sy mandray ilay zanaka nania ka miverina indray. Tsy vitan’ny hoe raisina fotsiny fa tefena sy amboarina mihitsy mba ho olom-baovao hihaino sy hankato. Ho raisina, hokarakaraina, hohasoavina ary haverina amin’ilay tany tsara efa nomena holovana. Faminaniana sahady ny zavatra hiseho ity fanambaran´i Mosesy ity satria tena nitranga tokoa izany hoe lasa babo, niparitaka tany Asyria sy Babilonia ny zanak’Isiraely rehefa naditra. Avy any anefa izy ireo no naverin’ny Tompo ka monina ao Isiraely ankehitriny.

Izany no halalin’ny fitiavan’ny Tompo. Mbola marina ho anao koa izany ankehitriny. Na inona na inona ditra sy faharatsianao ka nahatsiaro nijaly sy sahirana dia tsarovy fa mitsotra miandry anao Ilay tanam-pitiavana.Mahaiza misafidy (11-20). Mahafinaritra fa nanome ny teniny na ny lalàna ny Tompo ho an’ny olombelona rehetra. Sady voadika amin’ny tenim-pirenen’ny tsirairay avy izany no mora azo. Eo am-pelatananao ny Baiboly. Toro-lalana, jiro sy fanazavana hahafahana mahafantatra ny tokony sy ny tsy tokony atao. Manao ahoana ny famakianao azy? Ao no ahafantaranao ny fiainana sy ny fahafatesana izay miandry anao hisafidy ny fiainana. Inona ny vokany raha mifidy ny fiainana ary inona no tombontsoa raha mifidy ny fiainana?

Hoy i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14.6). Tsy rehefa maty ihany ianao vao misitraka ny mandrakizay fa ety ambonin’ny tany dia efa mahatsapa fa hafa mihitsy ny fiainana miaraka amin´ny Tompo. Araraoty ary fa mandalo izao fiainana izao e!

Laisser un commentaire