DEOTERONOMIA 29:16-28
Sampy zavaboary (16-20). Tanisain’i Mosesy eto ireo karazana sampy tompoin’ny olona tsy mino na tsy mahalala an’Andriamanitra ka mety hisarika ny vahoaka Isiraely. Zava-boary tsy misy aina, tsy mahare, tsy miteny, tsy mahita. Mahagaga anefa fa mora manaraka ireny ny olona. Tandremo hoy i Mosesy sao tratran’ny fangidiana ka hivily hanompo ireny. Hatramin’izao vanin’andro iainantsika izao dia mbola misy olona manaraka azy ireny. Misy koa anefa ny sampy manaraka ny toetr’andro na moderina hoy isika, izay mora mahazo ny olona amin’izao fotoana izao. Voalohany amin’ireny ny vola sy ny haitao ary ny haizatra izay tian’ny olona sy itokiany mihoatra noho Andriamanitra.
Tandremo fa tsy mahay manompo Tompo roa isika. “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo » Matio 6.24. Tsy zakan’Andriamanitra ny fanompoana zavatra hafa ankoatra Azy fa tena saro-piaro Izy. Ho voalatsa (21-28). Misy voka-dratsy eo amin’ny fiainana foana ny fialana amin’Andriamanitra. Raha tokony ho nisandratra dia lasa nietry. Raha tokony ho feno fiadanana sy fahasambarana dia feno fahoriana. Hitan’ny olona rehetra sy ny taranaka izany ka hahatonga azy ireo hametra-panotaniana hoe “Fa dia nahoana loatra no izao sisa no fiafarana?” Misy tanàna vitsivisy voatonona ireo niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Lasa ohatra ratsy.
Ny olona natsangan’ny Tompo ho zanaka anefa dia natao ho olona faka tahaka mba hanome voninahitra Azy. Misy afaka mamaly ihany ilay fanontaniana etsy ambony satria nahara-maso ny fiainan’ny zanak´Israely. Ahoana hoy izy?