DEOTERONOMIA 29:1-15
Aza manadino (1-7). Efa fantatry ny vahoakan´Israely ny vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana izao. Tsy nafenin´ny Tompo mihitsy ny vokatry ny asa sy ny fitondrantenan’ny tsirairay. Mila tadidiana ireo zava-dehibe sy mahagaga nataon’ny Tompo nanomboka vao niala tany Egypta sy nandritry ny fivezivezena tany an´efitra nandritry ny efapolo taona. Fantatrao avokoa ve izy ireny? Na dia efitra aza no novakivakian’ny Israely dia tsy nisy naha-ory azy mihitsy satria ny Tompo no nandray andraikitra ny fiainany. Tsy vitan’izany ihany fa mbola nandresy ireo fahavalo ary nahazo ny taniny mba ho lova.
Marina ho antsika ankehitriny koa izany fa manana finoana sy firaisana Aminy isan’andro isika. Mba hahatonga antsika hisaotra sy hidera mandrakariva ny Tompo dia mila mahatsiaro izay efa nataony teo amin´ny fiainantsika koa isika. Nanaovana fanekena (8-15). Ny olona tiana no anaovana fanekena mba tsy ho rava ny fifankatiavana. Tsy ny zanak’Israely ihany no voakasik’izany eto fa izay rehetra niara-niaina taminy. Hitondra vokatsoa ho an’Israely sy ny taranany ny tsy fanadinoana izany fanekena izany ka hampisandratra azy eo amin´ny firenena rehetra. Mila miavaka anefa izy ireo ka tsy manaraka ny fahavetavetan’ireo firenena tsy mino an’Andriamanitra ireo.
Ho anao izay efa voafidin’ny Tompo ka natsangany ho zanaka tamin’ny alalan´i Jesosy Kristy dia mila manana fiainana miavaka sy manaraka tsara ny fanekena ianao mba handovanao ny fiainana mandrakizay. Raha tena tsapanao ny haratsian’ny fiainanao fony ianao mbola tsy voavonjy dia ho sarobidy aminao ny famonjena noraisinao.