HEBREO 7:1-14
Manohy manambara ny “teny sarotra ambara” (5.11) ny mpanoratra ary manazava ny maha-ambony lavitra ny fisoronan’i Kristy amin’ny an’i Melkizedeka.Iza moa Melkizedeka ? Mpanjakan’i Salema, izany hoe Mpanjakan’ny fiadanana, Mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanjakan’ny fahamarinana (1-2). Mampametra-panontaniana ny maro : ny fihaviany, ny havany, ny fisoronany sy ny fahafatesany izay tsy fantatra dia mampitovy azy amin’ny Zanak’Andriamanitra (3). Ny fihaonany tamin’i Abrahama (1-2 ; Genesisy 14.17-20) dia mametraka fa ambony noho i Abrahama sy ny Levita izy. Melkizedeka dia : 1°) Ambony noho Abrahama izay nandray tso-drano taminy ary nanome azy ny “ampahafolon’ny zavatra rehetra” (7) ; 2°) Ambony noho ny Levita, izay taranak’i Abrahama naka ny fahafolon-karena teo amin’ny Isiraely (5, Nomery 18.21), kanefa Abrahama dia nandoa ny ampahafolony tamin’ny anaran’ireo ihany koa (9-10) ; 3°) Mpisorona mandrakariva satria nambara fa “velona” (8).
Jesosy Kristy : manoatra noho Melkizedeka. Velona mandrakizay ary tsy nanana fiandohana sy fiafarana (Apokalypsy 1.17-18). Tsy tanteraka ny fisoronan’ny Levita, izay mety maty, izany indrindra no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra, ho Mpisoronabe vaovao, tsy araka ny lalàna, fa manana fisoronana mandrakizay ; tsy avy amin’ny fokon’i Levy toa ireo mpisoron’ny Fanekena Taloha, fa avy amin’ny fokon’i Joda (14, Apokalypsy 5.5). Avy amin’ny alalany no hahazoan’ny olona rehetra fankasitrahana eo imason’Andriamanitra, ka hanatonany Azy amim-pahatokiana.
Fahamarinana : Tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona no nanoloan’i Kristy ny fisoronan’ny Levita tamin’ny fisoronana vaovao izay nanatanteraka ny lalàna ary manome ny famonjena.