FAMPANANTENANA

HEBREO 6:9-20

Fampanantenana ho an’iza? Na dia teo aza ny fanakianana ireto Hebreo, dia am-pitiavana be no anantenain’ny mpanoratra ny famonjena ho azy ireo (11). Tsara ny manana fahazotoana sy fanoloran-tena hanompo, tahaka azy ireo. Saingy tsy tokony hijanona hatreo fa ho tonga amin’ny tena finoana ny famonjen’i Jesosy izany. Tsy miankina amin’ny ataon’ny olona na ny fahamendrehany no hamonjena, fa amin’ny finoany ny fampanantenan’Andriamanitra. Mila mangataka faharetana isika, tahaka an’i Abrahama, hahatakatra an’izany finoana izany.

Entina am-bavaka ireo olona mazoto mivavaka sy manompo, mba hino fa ny ran’i Jesosy no manaisotra ny fahotana fa tsy ny fombafomba.Fampanantenana manao ahoana? Toy ny vatofantsika milentika lalina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina, miorina mafy, mihazona ny sambo tsy hahilangilan’ny rivotra na ny onja (19). Toy izany ny asam-panavotana nataon’i Jesosy. Nomontsamontsaniny ny fahotana, izay efitra mampisaraka ny olombelona sy Andriamanitra. Ka dia afaka mifandray mivantana Aminy isika. Na dia miovaova aza isika, ny teny fikasany kosa dia tsy miova, tsy mihetsika, ary azo antoka. Azo itokiana fa rehefa niteny Andriamanitra dia efainy izany.

Antoka manaporofo izany fa: 1) Andriamanitra ilay miteny dia Lehibe indrindra ary tsy misy mahasakana ny sitrapony, izay teneniny dia hainy tanterahana. Tsy Andriamanitra Izy raha tratry ny fahasamponana na fahasarotana ka tsy mahatanteraka izay nolazainy. 2) Jesosy Zanany Lahitokana ve no efa nandatsaka ny rany dia mbola tsy hanan-kery ihany ny famonjeny fa hiankina amin’ny vitan’ny olombelona ! Koa ekeo ary izany tolotra maimaim-poana omen’Andriamanitra izany.

Laisser un commentaire