TOETRA MANDISO FANANTENANA

HEBREO 5.11-6.8

Zaza, votsa fandray zavatra (5.11 – 6.3). Tsy mivoatra ireto Hebreo anoratana ireto, tsy mandroso satria tsy zatra mampiasa saina hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Nisy mpanompon’Andriamanitra iray nahatsapa fa ny kristiana eto Afrika dia be velarana fa tsy lalim-paka, izany hoe maro an’isa, saingy tsy miorina tsara. Zava-dehibe ny finoana ny famonjen’i Jesosy Kristy. Ankoatr’izay, tena filana fototra ho an’ny mpino ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, hahafahana manasivana ny marina sy ny diso. Tsy midika akory ity andininy ity hoe ny tanjon’ny kristiana dia ny ho mpampianatra daholo. Fa raha nanolotra ny tenany ny Tompo dia ny hahatonga antsika “ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany” (Kolosiana 1.22).

Koa raha te ho mpino matotra tsara dia mazotoa mandany fotoana sy ny rondoha amin’ny fandalinana ny Baiboly.Mpivavaka sarintsariny (6.4-8). Amin’ny sehatra fanompoana ny Tompo dia toa mitovy daholo: samy mahatsapa ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny heriny. Saingy misy foana ny tsy mbola niova fo. Mampahatahotra ny hoe “tsy azo havaozina indray”. Tsy anjarantsika ny manasokajy ny olona iray ho tsy avotra intsony. Na izy tsy nino ny famonjena tokoa, fa nanara-drenirano fotsiny. Na izy mino ihany, saingy voagejan’ny fahotana na variana amin’izao fiainana izao ka takona ny finoany. Raha izay faharoa izay dia mbola misy fanantenana satria ny Tompo mihazona ny zanany (Jaona 10.28). Andriamanitra no mahalala ny any am-pon’ny tsirairay.

Ny andraikitry ny mpino dia ny mandini-tena, tahaka an’i Paoly (1 Korintiana 9.27); mifampivavaka ary manamafy ny fitoriana filazantsara amin’ny ao anatiny.

Laisser un commentaire