ANDRIAMANITRA BE FAHASOAVANA

Hebreo 4:14 -5.10

Kristy Mpisoronabe. Ny Mpisoronabe dia olona voafidin’Andriamanitra hiandraikitra ny fanatitra noho ny fahotana. Tsy dia nasiaka loatra ny mpisoronabe satria na ny tenany koa aza dia nanota ka nila sorona ho fanalana ota (5.2). Kristy koa dia notendren’Andriamanitra ho Mpisoronabe hitondra ny fahotantsika. Izy nefa tsy mba nanota. Na izany aza dia nahatakatra tsara ny hasarotr’izany fakam-panahy izany Izy, satria efa nalaim-panahy (4.15). Be fiantrana Izy satria efa tonga olombelona, ka mahatsapa ny fetrantsika sy ny fahalementsika. Saingy Izy tsy nanota.

Tsy anatranatra tsy mahomby (morale) na resa-be tsy hay tanterahana ny fampianaran’ny Tompo fa efa niainany ny fankatoavana tanatin’ny sarotra indrindra tao Getsemane (5.7, 8). Efa nandresy ny fakam-panahy rehetra Izy, ka afaka hampandresy izay manaiky hotarihiny.Kristy Mpamindra fo. Ny mpanjaka dia mpamoaka didy. Amin’ny ankapobeny dia mampahatahotra ny manatona azy, satria izy no tompon’ny teny farany. Fa eto kosa dia toeram-pahasoavana ilay sezafiandrianan’Andriamanitra. Ny rehetra tsy misy ankanavaka dia mahazo manatona mivantana Azy, amin’ny fotoana rehetra (4.16). Na izay ninia manota, na izay tao anatin’ny tsy fahalalana dia hahazo famelan-keloka rehefa tonga eo amin’ny Tompo.

Fampiharana isan’andro : raha sendra lavo amin’ny fakam-panahy kely, na lehibe koa aza, dia aza afenina ny Mpamonjy, aza matahotra hiresaka aminy. Matokia fa tsapany ny mahazo anao ary vonona hanafaka Izy. Hamaha izany olana izany no nanekeny ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Aza misalasala na miandry rehefa masimasina. Tia anao amin’ny maha ianao anao izao Ilay Andriamanitra be fahasoavana!

Laisser un commentaire