HEBREO 4:1-13
Fialan-tsasatra voaomana tsara. Hatrany amin’ny toko fahatelo ka hatreto dia miverimberina ny Salamo 95, izay manambara momba ny fitsaharana. Tsy ilay tao Kanana no resahana eto, satria efa elabe taorian’iny vao nanoratra ity salamo ity Davida (8). Ny toeram-pitsaharana nomanin’Andriamanitra ho an’ny olona dia ny lanitra, na ny paradisa. Raha nanomana ny tsara indrindra Andriamanitra nefa tsy rototra tamin’izany ny olona, tsy ho tezitra ve Andriamanitra ? Nefa noho ny famindrampony dia nanokatra lalana indray Izy : “Anio” (7).
Tsy omaly ka midika hoe tara loatra. Tsy rahampitso ka hoe mbola andrasana. Fa “anio”. Vaovao mahafaly izany ka araraoty dieny mbola misokatra ny varavarana. Aza mangataka andro fa manatona ny Mpamonjy izay miantso hoe “Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra ho anareo.” Matio 11.28.Tenin’Andriamanitra velona sy mahery (12,13). Raha nampanantena ny Tompo fa manomana fitsaharana dia azo antoka izany. Ny Teniny dia miasa lalina any am-pontsika izay mandre mba hahatonga saina antsika fa hotsaraina eo imason’Andriamanitra isika. Na izay eritreritra miafina tsy misy mpahalala aza dia hitan’ny Tompo avokoa.
Io Teny maranitra toy ny sabatra roa lela io koa dia fitaovam-piadiana manan-kery hanitsy sy hanova ny fisainantsika. Anjaran’ny tsirairay ny misafidy na hanamafy fo na hihaino am-pinoana ny filazantsara. Izay tsy mino dia ho tavela sy taraiky (1). Izay mino kosa dia hiditra amin’ilay fitsaharana. Koa amin’izao rotoroto iainantsika ankehitriny izao dia saintsaino sy katsaho ilay fialan-tsasatra mandrakizay eo anilan’ny Ray.