» Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah : na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. «
Fitiavana mahagaga ity. Famindrampo tsy hita lany. Ny fahotana dia matetika ampitahaina amin’ny zava-maloto, fa amin’ity teny ity kosa, dia ampitahaina amin’ny jaky sy ny sily. Tarehin’ny rà izany. Mampahatsiaro ny amin’ny rà ny fahotana. Mahatahotra sy mampitepotepo ny rà. Samy zava-mahatsiravina na ny rà na ny fahotana. Ny fitiavan-tena, ny fahalotoana, ny lolom-po, ny fitaka, ny halatra, fifosana mbamin’ny ratsy rehetra dia samy fahotana ka mahatahotra tahaka ny rà.
Ny rà anefa dia zava-tsoa koa; ny zava-tsoa indrindra ananantsika fa izy no aina. Na dia very aza ny fananantsika rehetra dia kely izany raha ampitahaina amin’ny hoe: very ny aina. Ny manota dia tahaka ny manary ny fananantsika rehetra. Ny manota dia tahaka ny mandatsa-drà. Ny manota dia sady mamono ny tena no mamono ny hafa.
Ny fahotana dia mampahatsiaro ny amin’ny rà satria totali-ben’ny tsy fahamarinana rehetra izany. Ny fandatsahan-drà dia miantso famaliana, tahaka izany koa ny fahotantsika fa miantso ny famalian’Andriamanitra.
Kanefa mampahatsiaro antsika ny amin’ny rà hafa koa ny fahotana, dia ny nahatonga an’i Jesosy ho nanolotra ny tenany ho fanatitra alatsa-drà, ka izany no nitrangan’ny fahagagana hoe: Ho fotsy tahaka ny oram-panala ny fonao. Fahagagana miampy fahagagana. Fahasoavana miampy fahasoavana. Fahotana mena tahaka ny jaky, ho fotsy toy ny oram-panala. Henoy ny fangatahan’i Jesosy hoe: Avia ary hifandahatra isika.