Filipiana 2 : 14

« Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana. »

Tsy rariny ho an’ny kristiana ny mimonomonona. Ny toerana iasanareo dia mety tsy ho mora, ary maro ny fahasahiranana mahazo anao isan’andro, ka tsy mahagaga raha sasatra hianao. Fa raha izay no izy dia jereo Jesosy : Tsy misy nanana tany sarotra niasana tahaka Azy, nefa tsy nitaraina Izy na oviana na oviana ary tsy namaly ny tevateva natao Taminy.

Nanao ny asany tamin’ny faharetam-po Izy, eny, na dia fijaliana sy ny fahafatesana aza dia niaretany antsitrapo. Ry havana, eritrereto ny aminy, ianaro ny faharetam-pony sy ny fiaretany ary ny fitiavany. Tsy mahamaivana ny asanao ny fimonomononanao fa vao mainka manavesatra azy aza. Izay manana fanahy mazoto ka vonona hanampy amim-pifaliana dia homen’ny Tompo hery lehibe ka ho mpandresy mandrakariva.

Soloy fisaorana ny fimonomononana. Soloy hira fiderana ny fitarainana. Soloy fitiavana ny hasarotam-po. Ary ny valisoa homen’Andriamanitra anao amin’izany dia fifaliana.

Laisser un commentaire