» Sambatra ny malahelo am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra »
Izany no lalàna ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra voalazan’i Jesosy am-panahy.
Ireo malahelo am-panahy ireo dia manahy fa sao tsy hahazo ny fahasambarana mandrakizay, satria mahalala ny tsy fahombiazany. Mihevitra ny tenany ho tsy manana zavatra homena an’Andriamanitra hahazoany fahasambarana izy. Na dia efa nahatsapa ny fikarakaran’Andriamanitra azy aza izy dia tsy sahy manao izany ho porofo fa hahazo ny fahasambarana. Heveriny ho kely ny fanenenany ; na dia mitomany noho ny fahotany aza izy, dia mahatsiaro ny tenany ho tsy madio ihany. Mikely aina hanana toetra masina izy, kanefa heveriny fa kely loatra izany fikelezany aina izany, ka menatra izy. Heveriny koa fa kely sy tsy mendrika ny fivavahana ataony. Ny asa soa vitany dia hoatry ny tsy misy eo anatrehany. Tena tsy manana zava-tsoa na inona na inona omena an’Andriamanitra izy araka ny heviny. Nefa na dia izany aza dia ilazan’i Jesosy izy hoe: << Sambatra hianareo, sambatra, manan-karena, eny na dia ny fanjakan’ny lanitra aza dia anareo. >>
Nefa lozan’ireo mpanan-karena, dia ireo izay miankina amin’ny anarany hoe kristiana sy amin’ny vavaka ataony ary ny asany ao amin’ny fiangonana, nefa manadino an’i Jesosy. Lozanareo izay miankina amin’ny tenanareo sy izay misaina fa vitan’ny tenanareo ihany ny hahazoanareo famonjena.
Ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ny mahantra indrindra no manan-karena indrindra, ny tsy afa-po amin’ny tenany no sambatra indrindra.