<< Izaho hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. >>
Amin’ny Zanak’Andriamanitra dia misy mandrakariva ny fanantenana ny amin’ny ho avy, ka ny famoizam-po ario.
Aza mitahiry ny fotoanao maizina efa lasa. Aza mibanjina foana ny zava-manahirana. Aza mamerimberin-kevitra ny amin’ny momba ny tenanao sy ny fahotanao ary ny tsi-fahombiazanao. Aza tafintohina amin’ny fahadisoam-panantenana. Fantatr’Andriamanitra izany rehetra izany; nefa na dia izany aza, dia manome anao fanantenana ny amin’ny ho avy Izy. Ny helokao rehetra tamin’ny fotoana lasa dia voavela. Ary amin’ny andro ho avy, dia misy ny fanantenana. Atolory eo am-pelan-tànan’Andriamanitra ny andronao rehetra, dia hohitanao fa efa nanomana fitahiana sy voninahitra be ho anao mihoatra noho izay nampoizinao Andriamanitra. Hihazava mandrakariva ny làlana halehanao sady hotanteraka miandalana ny fanantenanao rehetra. Aza mihevitra fa kely ny andro sisa hiainanao, fa matokia an’Andriamanitra. Hanana ny tsara indrindra eo anoloanao hianao, fa Andriamanitra manome fanantenana amin’ny ho avy.