<< Raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra; raha tenenina mafy dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr’izao tontolo izao izahay, dia faikan’ny olona rehetra, mandrak’ankehitriny. >>
Asa na misy kristiana maro ankehitriny izay afaka hilaza tahaka izany? Fantatra fa maro no tevatevaina, anefa firy no misaotra sy maniry soa ho an’izay manevateva azy? Tsy misy eto amintsika ny tena fanenjehana, nefa misy ihany ny teny maneso sy mandatsa izay ren’ny kristiana atao aminy. Raha voan’izany isika, moa haintsika ve ny miara-milaza amin’i Paoly hoe: Enjehina isika, kanefa miaritra izany.
Andriamanitra anie hampianatra antsika hahay hitondra ny fahafaham-baraka nentin’i Kristy. Ny efa kristiana nefa mbola maniry ho naman’izao tontolo izao, dia tsy esoin’izao tontolo izao. Andriamanitra anie hanampy antsika hanalavitra ny fahafinaretan’izao tontolo izao sy, hananantsika fahasahiana hanaiky ny finoantsika an’i Jesosy voahombo tamin’ny hazo fijaliana. Na dia atao toy ny faditr’izao tontolo izao sy toy ny faikan’ny olona rehetra aza isika, dia tsinontsinona izany raha ampitahaina amin’ny ananantsika fankasitrahana avy amin’Andriamanitra amin’ny fiainantsika .